Vendredi 23 juillet 2010

TOE-DRAHARAHAM-PIRENENA : Haneho hevitra avy any Mahajanga amin’ny alahady Rajoelina



Hiroso amin’ny fanaovana am-pamoaka ve ny Filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita ? ny alahady hariva ho avy izao, mandritra ny valandresaka amin’ny fahitalavitra hotanterahiny avy any Mahajanga no hahafantarana momba izay. Ny azo antoka dia hahakasika ny toe-draharaham-pirenena sy ireo raharaha nafampana tato ho ato ity fanehoan-kevitra, izay handeha amin’ny fahita-lavi-pirenena, tahaka ny efa fanaony ity.
Mpanao gazety avy amin’ny televiziona nasionaly sy ny mpanao gazety hafa avy any an-toerana no hanafana izany valandresaka amin’ny fahitalavitra avy any Mahajanga izany.
Andrasana ho voaresaka mandritra izany valandresaka amin’ny fahitalavitra izany ny mahakasika ny raharaha « bois de roses » na ihany koa ny ezaka heverina hivoahana amin’ny krizy, dia ny dinika santatra sy ny fihaonambem-pirenena sy ny ho fahatongavan’n’ny Filoha Mozambikanina teo aloha, Joaquim Chissano.
Iry raharaha voalohany anefa no tena maro mpiandrandra noho ny filazana fa misy tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny fitondrana ankehitriny voasingotra ao anatiny. Ny Filoha teo aloha, ny pr Zafy Albert dia efa nitaky mazava mihitsy ny hamoahan’i Andry Rajoelina ny anaran’ireo olona ambony tafiditra amin’ny raharaha fanondranana an-tsokosoko hazo sarobidy ity.
Tsy mbola ilay fitsidiham-paritra izay nambaran’ny Filankevitry ny minisitra, ny alarobia 30 jona fa hotanterahin’ny Filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita ato ho ato aloha ity fankanesana any Mahajanga amin’ny faran’ny herinandro ity.
« Efa io no saika hanombohana ilay fitsidiham-paritra ary efa nisy fandaharam-potoana maroaro efa voaomana fa noho ny antony maro samihafa dia novaina an’io valandresaka amn’ny fahitalavitra io ilay izy », hoy ny fanazavana nentin’i Rolly Mercia, Talen’ny fifandraisana eo anivon’ny Fiadidana ny Fahefana avon’ny tetezamita.

MR

Réagir sur cette article
Pseudo :
E-mail :
Commentaire :
» 07/09/2010 : FIHAONAMBEM-PIRENENA : Volam-panjakana 2 000 tapitrisa ariary no holaniana

» 07/09/2010 : ANDRONONOBE : Nahay vava dia notifirin’ny jiolahy Ramatoabe

» 06/09/2010 : ANKOLAFY RAVALOMANANA : Mitaky famotsoran-keloka ialoha ny fihanambem-pirenena

» 06/09/2010 : VAZAHA RAY NARATRA : Fanafihana tamin’ny kalach teny Antehiroka

» 04/09/2010 : DATIN’NY FIHAONAMBEM-PIRENENA : Mifanipa-kevitra ny Cnosc sy ny Raiamandreny mijoro

Pages     


Madaplus - Tous droits réservés