Lundi 8 mars 2010

TEO ANOLOAN’NY PARKING : Vono olona fanindroany teny 67 Ha



Vono olona faharoa niseho teo 67 Ha Avaratra, taorian’ilay lietnà maty vono iny, no niseho afak’omaly tamin’ny misasak’alina. Tsy nifanalavitra, eo amin’ilay faritra feno « bar » ireo no niseho ireo vono olona ireo.


Alahelo sy ranomaso havozona ny an’ny reniny sy ny fianakavian’i Zafilahy Andrianandrasana Edmain Esbel, raha vao nahafantatra fa ny havan’izy ireo ilay hita faty nihosin-drà  teo amin’ny kianja kely filalaovana baolina « basket », izay ao afovoan’ny Cité ao 67 Ha Avaratra. Efa afak’omaly tamin’ny misasak’alina no nisy namono sy nanatsatoka antsy teo anoloan’ireo toeram-pisotroan-toaka teo 67 Ha Avaratra izay mifanila amin’ny « parking » ity tovolahy 23 taona ity. Omaly tamin’ny 8 ora sy sasany maraina anefa ireto havany vao nahafantatra izany. « Nivoaka toy ireny tanora rehetra ireny i Esbel ny alina. Nifampiresaka an-tariby tamin’ny reniny aho, avy eo, anio (ndlr : omaly) tamin’ny 7 ora maraina. Nigogogogo nitomany izy fa tsy nody i Esbel. Efa nanindrinindry azy ny fahavoazan’ity zanany ny alina », hoy i Bakidy Gegette, nenitoan’i Esbel, an-dranomaso, nitantara ny zava-niseho. « Hitanay ilay rà nameno ny elakelan-drano. Ny olona no nilaza fa olona avy any Atsimo-atsinanana izany no nisy namono teo. Nihazakazaka izahay nankeny amin’ny kaomiseran’i 67 Ha. Dia i Esbel tokoa ilay maty », hoy ihany ny fianakaviany.

Ireo nanatri-maso ny nahazo ity tovolahy ity no nitantara fa nanasaraka lehilahy nanao fanamiana miaramila niady tamin’ny vehivavy niaraka taminy izy. « Io no nanindrona antsy azy teo amin’ny fony »hoy ireo vavolombelona. « Tazanay izy nanasaraka ireo niady ireo. tsy fantatray anefa hoe naratra izy raha tsy izy nitolefika teo amin’ny fiara Mercedes fotsy izay nijanona teto amin’ny « parking ». niditra elakelan-trano avy eo ary maty teo amin’ny kianja kely filalaovana baolina « basket » teo afovoan’ny Cité. Feno rà ny elekelan-trano », hoy ireo mpiambina ny « parking » izay nampandre ireo polisin’ny kaomisarian’i 67 Ha.

HNA

Réagir sur cette article
Pseudo :
E-mail :
Commentaire :
» 29/07/2010 : FIKAROHAM-BAHAOLANA : Velom-bolo amin’ny diniky ny samy Malagasy i Chissano

» 29/07/2010 : LOZA TANY RANOHIRA : Fiara iray nizara roa mihitsy

» 28/07/2010 : SAMIHAFA : HODI-BOAY AOK’IZAY

» 28/07/2010 : VITAL-CHISSANO : Voasongona ny ankolafy telo

» 27/07/2010 : « HONO HOY AHO ATOA FILOHA » : « Tany misy fanjakana eto », hoy i Andry Rajo

Pages     


Madaplus - Tous droits réservés