Mardi 9 mars 2010

SOAMAHAMANINA : Mpivady manao risorison-tsolika



Niditra an-tsehatra mihitsy ny polisy avy any Arivonimamo tamin’ity herinandro ity noho ny resaka risorison-tsolika. Mpivady iray no sarona niaraka tamin’ireo solika sy « goudron » tamina barika mihitsy tany Soamahamanina.

Naka fahazoan-dalana manokana mihitsy ny polisy avy ao Arivonimamo tamin’ity raharaha iray ity, satria tsy ao anatin’ny fari-piadidian’izy ireo intsony i Soamahamanina. Rehefa tonga tany an-toerana tokoa ireto polisy dia nanatanteraka fisavana tranon’olona iray. Tamin’izay no nahatrarana ireto mpivady ireto.

« Goudron » efatra barika be izao no tratra tao an-tranon’izy ireo. tsy vitan’izay fa mbola nahatrarany gazoala 30 « bidon » ihany koa », hoy ny vaovao avy amin’ny polisim-pirenena. Ny fanampim-baovao no nahalalana fa ireo fiarabe mandalo amin’iny lalam-pirenena voalohany iny ihany no mpivarotra sy mpividy amin’izy ireo.

« Ireo solika dia ireny fiara andeha hividy vary ireny no mpivarotra aminay. Ireo fiara mpitatitra kosa ankoatra ireo fiarabe hafa no mpividy aminay », hoy ireo mpivady rehefa nanontaniana izy ireo. na izany aza tsy namaly izay tena antony nahitana ireo « Goudron » kosa izy mivady ireto.

 

Réagir sur cette article
Pseudo :
E-mail :
Commentaire :
» 29/07/2010 : FIKAROHAM-BAHAOLANA : Velom-bolo amin’ny diniky ny samy Malagasy i Chissano

» 29/07/2010 : LOZA TANY RANOHIRA : Fiara iray nizara roa mihitsy

» 28/07/2010 : SAMIHAFA : HODI-BOAY AOK’IZAY

» 28/07/2010 : VITAL-CHISSANO : Voasongona ny ankolafy telo

» 27/07/2010 : « HONO HOY AHO ATOA FILOHA » : « Tany misy fanjakana eto », hoy i Andry Rajo

Pages     


Madaplus - Tous droits réservés