Jeudi 11 mars 2010

SAVOROVORO EO ANIVON’NY ZANDARIMARIA : Nametra-pialana mba hialan’ny hafa ny jeneraly Za



Ireo zandary eo ambany fifehezany no isan’ny nampahafantarin’ny jeneraly Zafera Viennot voalohany ny fametraham-pialany tsy ho kaomandin’ny hery vonjy taitran’ny zandarimaria teny Fort Duchesne, omaly maraina tamin’ny 10 ora sy 39 mn.

« Tsy hiady aho, tsy hitondra anareo hiady aho, hiala aho ry zalahy. Rehefa tsy hiala ny hafa dia aleoko izaho no maila », hoy izy nanoloana ireo miaramilany. Horakoraka fanehoana tsy fankasitrana avy ahatrany no nansetrin’ireto zadary eo anivo’ny Fign izany.

« Tsy hiverina amin’ny fanapahan-kevitro aho », hoy indray anefa ny jeneraly Zafera izay nanisy tsindrim-peo manokana ny fisirihana ny mety ho ady eo amin’ny samy zandary ary ho « fitsinjovan ny tombontsoa ambonin’ny firenena ».

« Amin’ny samy zandary ary ho fitsinjovana ny tombontsoa ambonin’ny firenena ».

« Amin’ny maha samy zandary, aza miady izany, aza miteny amin’ny fo fa ento amin’ny feon’ny fieritreretana. Raha misy zandary iray maty, isika rehetra no miara-mitomany fa lehibe mitondra antsika no mitady ady », hoy hatrany izy nananatranatra mafy.

Valo minitra avy eo, nandritra ny fitafany tamin’ny mpanao gazety dia nanamafy ampahibemaso ny fametraham-pialany ity kaomandin’ny hery vonjy taitran’ny zandarimaria ity.

« Miala aho ! ny antony tsy te hiady ary tsy hamono olona, araka ny irin’ny hafa », hoy izy nanantitra ny efa voalazany. « Mahatsapa ho manana andraikitra aho fa isan’ny tsy nahomby ny fitantanako mato tonga amin’izao toe-javatra izao. Na tsy izaho mivantana aza no nihavi’ny olana dia raisiko ny andraikitra », hoy hatrany ny jeneraly Zafera, nanohy. Tsy nanafina ny faniriany ny hirosoan’ireo tompon’andraikitra hafa amin’izay fametraham-pialana izay ihany koa anefa ny tenany.

« Ny minisitry ny Foloalindahy izay miaro isan’andro ny kaomandin’ny zandarimaria no tokony hiala voalohany indrindra. Tokony hiala ihany koa ny kaomandin’ny zandarimaria, ny jeneraly Bruno izay fototr’izao olana izao », araka ny fanambarana nataony.

Toa miendrika fanerena an-kolaka ireo tompon’andraikitra hafa hametra-pialana ity fanapahan-kevitry ny jeneraly Zafera ity na dia nanizingizina mafy aza ny tenany fa « tsy manana hery hanaovana fanerena izany ». « Raha ny lojika dia tokony hitohy amin’izay fametraham-pialan’ny hafa izay izao fialako izao », hoy fotsiny ihany izy.

Ny miharihary dia mafampana ny eny anivon’ny Fign. Niantso ireo namany miparitaka any mba hamonjy azy ireo eny Fort Duchesne ireo manamboninahitra lefitra. Manohana azy ireo ihany koa ireo manamboninahitra. « Tsy hiverin-dalana izahay na tafondro hipoaka na basy hirefotra », hoy ny lietnà kolonely Raymond Andrianjafy.

Voatery nampiantso fivoriana teny Mahazoarivo ny Praiminisitra ny tolakandro, ka niantsoany ireo kaomandin’ny fari-piadidian’ny zandarimaria, ireo lehiben’ny vondron-tobim-paritra, ireo talen’ny sekoly manomana zandary na ihany koa ireo tale eo anivon’ny sekreteram-panjakana misahana ny zandarimaria. Nanatrika ny fivoriana ihany koa ny jeneraly Zafera sy ireo manamboninahitra solontenan’ny Fign. Teo ihany koa ny lefitra voalohan’ny kaomandin’ny zandarimaria ary mazava loatra ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, ny jeneraly Claude Ravelomanana.

Tsy nisy nipika izany fivoriana izany fa raha ny tsilian-tsofina dia nanome antoka amin’ny hanohizana hatramin’ny farany ny fanadihadiana ny Praiminisitra. Voalaza ihany koa anefa fa tsy nekena ny fametraham-pialan’ny jeneraly Zafera. Ity farany izay nanambara an-telefaonina omaly hariva fa « mbola hisaintsaina mandritra ny alina ».

MR

Réagir sur cette article
Pseudo :
E-mail :
Commentaire :
» 29/07/2010 : FIKAROHAM-BAHAOLANA : Velom-bolo amin’ny diniky ny samy Malagasy i Chissano

» 29/07/2010 : LOZA TANY RANOHIRA : Fiara iray nizara roa mihitsy

» 28/07/2010 : SAMIHAFA : HODI-BOAY AOK’IZAY

» 28/07/2010 : VITAL-CHISSANO : Voasongona ny ankolafy telo

» 27/07/2010 : « HONO HOY AHO ATOA FILOHA » : « Tany misy fanjakana eto », hoy i Andry Rajo

Pages     


Madaplus - Tous droits réservés