Lundi 5 janvier 2009
SAMIHAFA : FAMPIHARAN’NY KAOMININA NY LALANA
Matahotra ireo mpitandro ny filaminana
Ny fanarahan-dalàna noisan’ny resaka napetraky ny Filoham-pirenena tamin’ny kabary fiarahabana tratry ny taona 2009 nataony .Ho an’ny fiadidiana ny kaominina Antananarivo anefa dia toa tsy mifanaraka amin’izany ny asehoan’ireo olona eo ambany fiadidian’ny fitondrana manomboka any amin’ny minisitera sy ny Lehiben’ny faritra ary ny “préfecture de police” ka hatrany amin’ny fokontany .Nilaza ny Filoha Ravalomanana fa “…fanjakana tan-dalana I Madagasikara .Apetraka ny lalàna mba ho hajain’ny olona rehetra satria tsy misy ambonin’ny lalàna .Ampiharina ny lalàna mba hipetrahan’ny demokrasia…” Mipetraka ny olana amin’izao fotoana izao, ary efa hatramin’izay , ny amin’ny resaka fako eny Anosipatrana .Ny kaominina Antananarivo renivohitra dia tsy nanome alalana velively ho an’ny Lehiben’ny faritra sy ny “préfecture de plice” ary ireo kamiao lehibe ampiasany hiditra any amin’ny fari-piadidian’ny kaominina , arak ny filazan’ny lefitry ny Ben’ny tanàna .Nirhy Lanto Andriamahazo .Ireo kamiao lehibe nampiasaina sy ny ampiasain’izy ireo anefa dia tsy nahazo fahazoan-dalana hivezivezy eto an-drenivohitra .Tsy sahy misava izany fahazoan-dalana izany akory ireo polisy isan-tsokajiny “Misy ve araka izany eo ambony sy ambanin’ny lalàna?” raha ny fahitan’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo ny raharaha . Nipetraka ihany koa anefa ny fanontaniana ho an’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo nanao hoe “ Matahotra ny handray ny andraikiny ve ireo mpitandro ny filaminana eto Antananarivo , na monisipaly na nasionaly , ka tsy afaka ny handray ny andraikiny raha nahazo alalana hivezivezy sy hitaona tany sy fako eto an-drenivohitra ireo kamiao lehibe mitaona fako nalefan’ny Lehiben’ny faritra ? sa mandà ny tenin’ny Filoham-pirenena izay milaza fa tsy misy ambonin’ny lalàna ka manao fanaparam-pahefana?” .
Patrick Mahefa
|
|
|
» 09/09/2010 : ANDRIM-PANJAKAN’NY TETEZAMITA : Tsy hisy fizaran-tseza mialohan’ny fihaonambem-pirenena
» 09/09/2010 : 67 HA : Lehilahy voatifitra teo amin’ny feny sy lamosiny
» 07/09/2010 : FIHAONAMBEM-PIRENENA : Volam-panjakana 2 000 tapitrisa ariary no holaniana
» 07/09/2010 : ANDRONONOBE : Nahay vava dia notifirin’ny jiolahy Ramatoabe
» 06/09/2010 : ANKOLAFY RAVALOMANANA : Mitaky famotsoran-keloka ialoha ny fihanambem-pirenena
Pages 1
|