Any amin’ny minisitry ny Foloalindahy, ny jeneraly Noël Rakotonandrasana ny baolina amin’ilay raharaha « Fign ». Raha ny nambaran’ny sekreteram-panjakana misahana ny zandarimaria, ny jeneraly Claude Ravelomanana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby omaly dia efa « nisy hevitra tapaka hamahana ity olana eo anivon’ny zandarimaria ity ary natolotra ny minisitry ny Foloalindahy ».
Tsy azo an-tariby mihitsy anefa ny minisitra omaly alina. « Nivory hatrany izy », raha ny nambaran’ny « aide de camp » izay nandray ny telefaonina.
Ny zava-nisy dia nifanesy tokoa ny fivoriana manodidina izay savorovoro eo anivon’ny zandarimaria izay io omaly io. Ny maraina dia efa namory ireo kaomandin’ny fari-piadidian’ny zandarimaria sy ireo lehiben’ny vondron-tobim-paritra, izany hoe ireo manana andraikitra fibaikoana teny amin’ny Toby Ratsimandrava, ny kaomandin’ny zadarimaria. Azo adika ho fitadiavana fanohanana manoloana ny fitakiana ny fialany ataon’ireo zandary eo anivon’ny Fign izany.
Ny jeneraly Bruno Razafindrakoto izay nanamarika fa « tsy mifanaraka amin’ny fitsipi-pifehezana miaramila izany fitakiana ny fialan’ny lehibe izany ».
« Ny mifanohitra amin’izany fialana izay no nivoitra tamin’ny fivoriana natao », hoy ihany ity tompon’andraikitra voalohany ny amin’ny fibaikoana eo anivon’ny zandarimaria ity, toa nahazo toky taorian’io fihaonana teny amin’ny Toby Ratsimandrava io.
Raha ny tsilian-tsofina dia efa nanomboka ihany ny fandresen-dahatra ny jeneraly Bruno Razafindrakoto hametra-pialana mba handamina ity raharaha ity. Tsy nanamafy izany anefa ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, izay nihanona tamn’ny filazana fa « efa any amin’ny minisitry ny Foloalindahy ny vahaolana ary any no tokony hametrahana fanontaniana ».
Ao anatin’izay rehetra izay, ny jeneraly Zafera Kaomandin’ny hery vonjy taitran’ny Zandarimaria eny Fort-Duchèsnes dia mifototra ihany amin’ilay « fampanantenan’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria amin’ny hahitana vahaolana ao anatin’ny herinandro ».
« Tsy mahalala na inona na inona izahay fa dia miandry izay vahaolana efa nampanantenaina », hoy izy.
Vao ny zoma teo no nanamafy ny fitakian’izy ireo ny amin’ny tokony hialan’ny kaomandin’ny zandarimaria ireo zandary manao fitakiana eo anivon’ny hery vonjy taitran’ny zandarimaria. Efa nampahafantatra mazava tamin’io fotoana io ny lietnà kolonely Raymond Andrianjafy fa « tsy maintsy hitohy ny dian’ny lamasinina raha tsy misy izay vahaolana izay ».
AR