|
35ème anniversaire Laurent Rakotomamonjy à Paris
Ho fanohizana ny fankalazana ny faha 35 taona namoronan'i Laurent Rakotomamonjy hira ara-pilazantsara izay nataony tany Madagasikara dia nanatontosa rindran-kira ara-pilazantsara goavana teto Frantsa izy ny 28 janvier 2012 tao Paris 14ème niarahana tamin'ny Groupe Ny Mino sy Raozigasy ary ny 11 février 2012 tany Toulouse tao amin'ny Eglise Le Vieux Temple izay mbola niarahany tamin'ny Groupe Ny Mino izay zanaka ara-panahin'i Laurent Rakotomamonjy aty Europa ankoatra ireo famangiana ireo fiangonana maro samihafa tao Paris. Ny tanjona dia ny hanampariahana ny fitoriana ara-pilazantsara manerana izao tontolo izao araka ny teny fanevany hoe "Hihira ho an'i Jehovah aho raha mbola velona koa" Salamo 104 : 13. Ny Association NY MINO niaraka tamin'i Laurent Rakotomamonjy no nikarakara izany hetsika izany hatrany Madagasikara ka hatraty Frantsa. Laurent Rakotomamonjy dia isan'ny mpikambana tao amin'ny Mpitory no nahafantarana azy voalohany, fa nanomboka namoron-kira voalohany izy ny taona 1976 tamin'ny faha 16 taonany. Nantsoin'i Tompo tamin'ny fomba nahagaga tokoa izy tamin'izany ary namoronany hira maro dia maro izany. Rehefa niala tao amin'ny Mpitory izy dia namorona ny Groupe Laurent Rakotomamonjy na ny GLR, 15 taona lasa izay. Ary ankehitriny dia manana ny zanany Groupe Ny Mino aty Frantsa izy izay miara-miasa tanteraka amin'ny GLR Madagasikara. Isan'ny hira nahafantarana an'i Laurent Rakotomamonjy ny "Andriamanitra tsy mandao", "Tompo ô! ekeko tsotr'izao".
Ny voninahitra anie dia ho an'Andriamanitra irery ihany fa tontosa soamantsara ny fitoriana rehetra izay natao. Nirina Association Ny Mino |
|
|
Madaplus - Tous droits réservés /
Madaplus.fr vous informe que conformément à la loi "informatique et libertés" du 6 janvier 1978 modifiée en 2004, vous bénéficiez d'un droit d'accès et de rectification aux informations qui vous concernent |
|
sites partenaires










