Lundi 8 mars 2010

« TENY IFAMPIERANA » TENY IVATO : Raikitra ihany ny fifidianana ny Antenimieran-dal&agra



Efa tamin’ny 9 ora latsaka 20 minitra alina vao nanomboka nanao sonia ilay taratasy fifanarahana ara-politika, mirakitra ny lahatondron’ny tetezamita, ireo mpandray anjara tamin’ilay atrikasa « teny ifampierana », nifarana omaly teny Ivato. Misongadina ny fahalanian’ny firosoana amin’ny fametrahana ny Antenimieran-dalàm-panorenana miohatra amin’ilay fitsapan-kevi-bahoaka momba ny Lalàm-panorenana. Ny fametrahana ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) sy ny governemanta fisokafana, no imasoana, farafahatarany amin’ity volana marsa ity. Ny fanatanterahana fikaonan-doham-pirenena handinihana ny volavolan-dalàm-panorenan’ny Repoblika faha IV ihany koa etsy andaniny.

Ny Praiminisitra Camille Vital no nitarika ny fotoam-pamaranana tamin’izao atrikasa « teny ifampierana » izao. « Hoentin’ireo delegasiona malagasy tarihin’ny Praiminisitra hampahafantarina amin’ny Gic any Addis-Abeba ireo tolokevitra tapaka tamin’ity fivoriana ity, aorian’ny hanomezana izany amin’ny Filoha Andry Rajoelina », hoy i Annick rajaona.

Na fahombiazana teo amin’ny isan’ny mpandray anjara aza izany fifanarahana tamin’ny teny ifampierana momba ny lahatondron’ny tetezamita hatrany amin’ny Repoblika faha IV izany, dia hita taratra ihany ny tsy fitovian-kevitra tamin’ny fomba nizorany. « Tsy mazava ny fitsipika nanatanterahana ny latsa-bato. Tsy nampisy lanja ny valin’izany latsa-bato izany ireo fikambanana nifidy, izay tsy tena nahasahana tanteraka ny faritra rehetra teto Madagasikara akory. Mahatsiaro ho nambakaina izahay tany amin’ny faritra », hoy i Pety Rakotoniaina.

Fahafaham-po kosa ny an’ny mpandray anjara hafa, toy ny Defi 2010, izay nilazan’ny minisitra Andriamananoro Augustin fa ny 90%-n’ireo tolo-kevitra naroson’izy ireo izao tapaky ny « teny ifampierana »teny Ivato izao. « Ireny kosa no tena teny ifampierana », hoy i Alain Ramaroson, na dia tsy lany aza ilay fitsapan-kevi-bahoaka nimatimatesany.

RR

Réagir sur cette article
Pseudo :
E-mail :
Commentaire :
» 30/08/2010 : Averina indray ny « caravane »

» 28/08/2010 : Raharaha 7 febroary: Mandefitra an-dRavalomanana ny Fampanoavana ambony

» 28/08/2010 : Tompodaka eran-tany Japon: solotena 2 malagasy

» 27/08/2010 : DINIKA POLITIKA ENY VONTOVORONA : Mbola nifampitsapatsapa ireo mpanao politika

» 27/08/2010 : ANDRAIKIBA ANTSIRABE : Sefo fokontany voarohirohy tamina fanafihana

Pages    4   


Madaplus - Tous droits réservés