Manombana ambony indray ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ary mametraka karazana fepetra amin’ny ho fandraisan’anjara.
Isan’ny nasiany tsindrim-peo manokana tamin’ny fanambarana navoakany ny sabotsy teo ny tokony hametrahana « fepetra hifampitosana » eo anivon’ny tontolon’ny politika mialoha ny firosoana amin’izay fikaonandoham-pirenena izay.
Raha adika tsotra dia mitaky ny famontsoran-keloka i Marc Ravalomanana. Efa teny nampiasaina tany Maputo sy Addis-Abeba io “fepetra hifampitokisana” io.
Antoka iray hizoran’ny fihaonambem-pirenena araka ny tokony ho izy ary hitovian’ny mpandray anjara rehetra izany, araka ny fanazavana.
Etsy andaniny dia mhevitra ihany koa ny mpanorina ny Tiako i Madagasikara fa tokony handray anjara amin’ny fikarakarana io fihaonambem-pirenena io ny ankolafy politia efatra. Fepetra napetrany ihany koa anefa ny tsy tokony hamerana mialoha ireo karazana lohahevitra hodinihana mandritra ny fihaonana.
“Izahay efa tsy manizingizina intsony hoe tsy maintsy hampiarina ara-bakiteny ny fifanarahan’i Maputo sy Addis-Abeba fa ny foto-kevitra nahatongavana tamin’ireny no tokony hotazomina ary ny zava-dehibe indrindra dia hoe miara-midinika an-databatra boribory ny rehetra”, hoy ny fanazavana netin’i Fetison Rakoto Andrianirina, mpitarika ny delegasiona avy amin’ny ankolafy Ravalomanana.
Ho setrin’ireo fepetra maro apetrak’izy ireo dia arangarangan’ny firehana Ravalomanana fa isany fandeferana efa ataon’izy ireo ny tsy maintsy fitakiana ny hamerenena an’i Marc Ravalomana eo amin’ny fitodrana.
“Tafiditra ao amin’ny fen-kevitra noraisin’ny filan-kevira misahana ny krizy eo anivon’ny SADC nivory farany teo ny tsy maintsy hamerenana amin’ny toerany ny filoha voafidy, izay noesorina tsy araka ny voafaritry ny lalam-panorenana,fa izahay tsy mangataka izany intsony”, hoy ihany ity farany, miezaka maneo ny fahavononan’izy ireo hidinika.
Az lazaina avy hatrany anefa fa ho kelikely ihany ny herijika amin’ny ahazoan’ny filoha teo valiny mahafa-po tanteraka amin’ireo fepetra izay napetrany ireo.
Raha voatondro mantsy dia mandritra ny fihaonambem-pirenena io indrindra vao hodinihana ny mikasika ny famontsoran-keloka. Ankoatra izay ny fisahanana io fihaonana io dia efa napetraka ho an’ny fiara-monim-pirenena.
Ny mpitandrina Ramino Paul avy ao amin’ny “raiamandreny mijoro” dia manamafy fa “mbola hiezaka hatrany ny hampihaona sy hampiray ny rehetra”. “Tokony hatao bebe kokoa hatrany ny fifampidinihana sy ny fifandresen-dahatra ary manantitra izahay fa tokony hampanginina ny ambom-po rehetra”, hoy izy raha maneho hevitra mikasika ny tsy mbla fahavononan’ny avy amin’ny ankolafy handray anjara amin’ny fihaonambem-pirenena hatreto.