Lundi 19 juillet 2010

FANELANELANANA : MBOLA ANKAMATATRA NY FOTOANA HAHATONGAVAN’I CHISSANO



Tsy mbola misy aloha hatreto ny fampitam-baovao ofisialy avy amin’ny Sadc ny amin’ny fotoana hahatongavan’i Joaquimi Chissano, lehiben’ny ekipa mpanelanelana iraisam-pirenena ho amin’ny famahana ny olana eto Madagasikara.
Ireo irak’ity Filoha mozambikanina teo aloha ity, izay nandalo teto Madagasikara no efa nanambara fa « aorian’ny 15 jolay no ho avy Chissano ».
Ny eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny dia tsy mbola nahenoam-baovao mikasika izay fotoana higadonan’i Joaqum Chissano eto Madagasikara izay. Tsy azo telefaonina rahateo ny minisitry ny Raharaham-bahiny izay voalaza fa mamita iraka any ivelany.
Ny avy amin’ny ankolafy telo no tena miandrandra mafy ny fiavian’ity lehiben’ny mpanelanelana iraisam-pirenena ity. Na izy ireo aza anefa dia milaza ho tsy mbola mahalala ny andro hiavian’ity vahiny ity.
« mandram-piandry ny fahatongavan’i Joaquim Chissano dia tsy mandray anjara aloha izahay amin’ny dinika santatra », hoy fotsiny ihany i Fetison Rakoto Andrianirina, avy amin’ny ankolafy Ravalomanana teny amin’ny Carlton Anosy, omaly.
« Na inona na inona  valin’ny fitadiavana vahaolana hitantsika eto Madagasikara ka tsy eken’ny avy any ivelany dia tsy hisy lanjany ihany », araka ny fanehoan-kevitr’ity farany ihany.
Réagir sur cette article
Pseudo :
E-mail :
Commentaire :
» 09/09/2010 : ANDRIM-PANJAKAN’NY TETEZAMITA : Tsy hisy fizaran-tseza mialohan’ny fihaonambem-pirenena

» 09/09/2010 : 67 HA : Lehilahy voatifitra teo amin’ny feny sy lamosiny

» 07/09/2010 : FIHAONAMBEM-PIRENENA : Volam-panjakana 2 000 tapitrisa ariary no holaniana

» 07/09/2010 : ANDRONONOBE : Nahay vava dia notifirin’ny jiolahy Ramatoabe

» 06/09/2010 : ANKOLAFY RAVALOMANANA : Mitaky famotsoran-keloka ialoha ny fihanambem-pirenena

Pages     


Madaplus - Tous droits réservés