Andian-jaza manao fanafihana no nanaovan’ireo polisin’ny sampana misahana ny heloka bevava sarika am-pandriana tany amin’ny trano sy ny toerana misy azy ireo ny maraimben’ny alahady lasa teo. Misy dimy lahy izy ireo.
« Tsy fantatro mihitsy izay antony nisamborana azy. Takon-kenatra no teny an-kodiny tamin’ny fotoana nisamboran’ny polisy azy teny Andoharanofotsy Anosibe tamin’ny iray maraina », hoy ny zaobavin’ity tovolahy 19 taona raha nanaraka azy tetsy amin’ny Fampanoavana, omaly antoandro. Efa manambady aman-janaka io tovolahy io.
Misy 12 taona
12 taona indray ny zandriny indrina. « Taizako izy io », hoy ity vehivavy nanaraka azy izay nilaza ihany koa fa tsy nahalala ny antony nisamborana azy. Raha ny vaovao voarain’ireo polisy anefa dia andian’ankizy mpanendaka izy ireo. eny Anosizato no toerana famelezan’izy ireo. hatramin’ireo mpandeha tratra alina na tonga vao maraina eny amin’ny Fasan’ny karàna eny dia asian’izy ireo.
Ary efa samy manana ny anjara asany izy dimy lahy. Ity zazalahy 12 taona izao dia mangarona ny paosin’ireo olona hoendahina, raha mitazona azy ireo tsy hihetsika ny anjara asan’ireo lehibehibe. Nisy tratra, nandritra ny fisavana nataon’ireo polisy, ankoatra izay, ny antsy kely sy ny hazo fitondran’izy ireo rehefa manantanteraka ny asa ratsy izany. Sady tsy mianatra no mandrimandry an-tsena ireto ankizy ireto, raha ny fanazavana azo ihany. Naiditra eny amin’ny fonjan’ny tsy ampy taona eny Antanimora ny efatra izay 14, 16, 18 sy 19 taona. Eny amin’ny toby fitaizana zaza maditra indray no nalefa ilay 12 taona.
HNA