Omaly tokony ho tamin’ny 7 ora hariva no nisehoana hain-trano mahatsiravina teny Anosibe Mandrangobato, amin’iny lalana mitsofoka eo amin’ny farmasia Volahanta iny. Trano iray misy rihana no nirehitra. Raha ny vaovao voaray dia avy any ambany no nirehetan’ny afo ka tsy afa-niala intsony ireo olona tao anatiny. Voasakan’ny vy mantsy ny varavaran-kely ka dia olona telo mianaka no taraiky tao. Nanamafy izany ireo olona manodidina. « Nanano sarotra ny famonjena satria misy irony vy fiarovana irony daholo ireo varavarankely nisehoan’ny loza. Nisy olona anefa tafajanona tao anatiny », hoy ireo nanatri-maso.
Raha ny tatitra vonjimaika voaray dia ramatoa iray efa lehibe ary ankizy roa ireto taraiky ary kila tao anatin’ity hain-trano ity. Voalazan’ireo manodidina ihany fa somary taraiky ny fahatongavan’ny mpamonjy voina, ka izay no tena nampitatra ny loza. « Sahirana mihitsy ireo mpamonjy voina noho ny hasarotana tamin’ireo vy fiarovana ireo. vokany, ora maromaro vao maty ny afo », hoy ihany ny vaovao.
Tsy mbola fantatra mazava aloha hatreto izay tena anton’ity fahamaizana ity fa raha ny tombana avy amin’ny manodidina sy ny resaka mandeha dia avy amin’ny « court-circuit » no nhatonga ny fahamaizana.