Tsy hifarana izy ity raha tsy amin’ny 3 marsa ho avy izao, araka ny nambaran’i Ernest Ramangasoavina, tompon’andraikitra teknika, ka eny anmin’ny kianjan’Ankatso no hanaovana ireo dingan’ny famaranana. Misokatra ho an’ireo mpilalao tenisy rehetra manana kara-pilalaovana amin’ity taona ity sady manana klioba, mikambana ao amin’ny ligy sy efa nahaloa ny latsakemboka io fifaninanana io.
Vola mitentina Ar 250 000 ho an’ny lehilahy sy Ar 200 000 ho an’ny vehivavy no omena an’izay tompondaka amin’io "Open Daytona 2012" io. Saika hahazo ny anjara tambiny avokoa anefa ireo mpilalao hatreny amin’ny dingan’ny 1/16-n-dalana, izay hiakatra arakaraka ny toerana misy ireo mpilalao. "Hifarana amin’ny 15 febroary ho avy izao ety Ankatso ny fisoratana anarana ho an’ireo maniry ny handray anjara amin’izany, ka ny 22 febroary no hivoaka ny tabilaom-pifaninanana raha ny 18 febroary izao no atao ny antsapaka", hoy ihany ity tompon’andraikitra iry.
R.A