Nahatratra 96 ny isan’ireo tarika nandray anjara teny amin’ny kianjan’Anosizato eo amin’ny sokajy diviziona voalohany, faharoa ary fahatelo. Omaly no notontosaina teny an-toerana ny lalao famaranana teo amin’ny sokajy diviziona faharoa ka nisaraka ady sahala 6 no 6 ny ekipan’Anosibe Cosm tatsimo sy ny JSA Anosibe ihany.
Voatery noravàna noho ny fahamaizinan’ny andro ny lalao ka haverina amin’ny fotoana manaraka. « Mba ho famalifaliana sy fitaizana ireo tanora, amin’ny alalan’ny taranja izay ankafiziny ihany no nanolorana azy ireo ny omby », hoy Hawel Mamod’Ali, mpandrindra eo anivon’ny tonia jeneralin’ny Fiadidian’ny Repoblika. Niara-niasa tamin’ny Fitondram-panjakana foibe tamin’ny fanatontosana izao fifaninanana izao ihany koa ny mpikambana ao amin’ny Kaongresin’ny tetezamita, Gilbert Rakotonandrasana na i Zoky Bera.
Andry Ratovo