Tamin’io fotoana io dia nahazo lelavola 10 tapitrisa ariary izy ireo. « Efatra ireo jiolahy no niaraka tamin’io ka isan’izany i Marianot, ilay maty novonoin’ny fokonolona tany Ambanja andro vitsy lasa izay. Basy « kalachnikov » telo sy basy poleta roa no netin’izy ireo tamin’izany », hoy ihany ny avy amin’ny zandary.
Teny Analakely no voasambotry ny zandary eny Fiadanana i Voay, ny 17 desambra rehefa nokarohina hatramin’ny ela. Rehefa nosavaina ny tranony teny Anosipatrana dia nahitana bala-na « kalachnikov » iray, bala 9 mm ho an’ny basy poleta miisa telo, bala-na basy « 22 long riffe » miisa sivy ary ody gasy anaty tavoahangy maromaro. Omaly no natolotra ny Fitsarana i Voay ary nampidirina vonjimaika eny Tsiafahy.
Faralala
sites partenaires
