Nanoloana ny trano fivarotan’ny Homéopharma, ny sabotsy teo amin’ny 9 ora sy sasany maraina no nitrangan’izany. Niala ilay zaza ilay mpamily, ka nandona ny tranon’ny Homéopharma. Nianjera tamin’ireo olona efatra mpandeha an-tongotra, teny amin’ny sisin-dalana ilay trano. Novonjena teny amin’ny hopitaly Loterana ny olona telo. Ny iray tamin’izy ireo, vavikely vao 9 taona. Vokatry ny dona nahazo azy, dia tsy tana ny ain’ny iray. Nisy iray koa nentina haingana teny amin’ny Hjra. Tsy nahazaka ny ratra nahazo az koa ity olona faharoa ity ka maty. Olona roa izany no maty tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity.
« Noho ny hafainganam-pandehany dia voatery nisafidy ilay mpamily na manitsaka ilay zaza nanapa-dalana tampoka na nandona ilay trano. Nalefany tany amin’ilay trano ny fiarany ka rava sy nianjera tamin’ireo olona nandeha an-tongotra, tsy manana ahiahy, izany. Nianjera ilay trano ka izay no nandratra azy efatra ireo », hoy ny lehilahy iray nanatri-maso ity tranga ity. Potika be ny lohan’ilay fiara vokatry ny nandonany ilay trano.
Barphil Andriantsiferanarivo