Hampianihana an’Angovokely ireo mpifanandrina, izay heverin’ny mpikarakara fa hahatratra 450 amin’ity taona ity. Tamin’ny herintaona dia nihodina izany, saingy notazonina ihany ny halaviran-dalana 120 km mampitohy an’Antananarivo amin’i Mantasoa (mandroso sy miverina). « Kendrena hiakatra hatrany ny isan’ireo mpandray anjara amin’ity. Tamin’ny taona 2009 dia 35 ireo mpihakazakaza. Niakatra ho 150 izany tamin’ny taona 2010 raha 250 ny farany teo », hoy i Daniel Peniez, voafidy hitantana indray ny fikambanana Utop amin’ity taona ity.
Mbola hiainga etsy amin’ny Lycée Français Ambatobe amin’ny sabotsy 5 mey amin’ny 00 ora 00 ihany anefa ny fifaninanana ary hifarana ny alahady 6 mey amin’ny 1 ora eny an-toerana rehefa avy mankany Mantasoa. Toy ny teo aloha ihany anefa dia noferana ho ao anatin’ny 36 ora ny famitana an’ity hazakazaka ity amin’io. « Mahatratra 15 ireo firenena hanana solontena amin’ity fifaninanana ity », hoy ihany ny mpikarakara.
R.A