Ny alakamisy alina hifoha zoma izy no nisy nahita tao anaty tatatra feno rano maloto, mifandray amin’ny Marais Masay iny. Nentin’ireo rahalahiny, izay miara-monina aminy teny amin’ny sampana fameloman’aina teny amin’ny Hjra haingana izy tamin’ny 6 ora maraina, saingy efa tapitra ny ainy vao tonga teny.
« Vao roa volana izy io no niakatra teto Antananarivo, mivarobarotra eny. Na ny adiresiny misy azy aza tsy mba fantatray akory », hoy fitantaran’ny anabaviny, izay niakatra aty an-drenivohitra, avy any Alatsinainy Bakaro, raha vao nandre izao tranga mampalahelo izao. « Gaga fotsiny izahay nandre azy latsaka tany anaty tatatra. Mety nisy nanosika ve sa efa nisy namono vao nisy nandefa tao ? Tsy mazava aminay izay tena nahazo ity havanay ity », hoy ny anadahin-dreniny. Nokarakaraina ny taratasy rehetra hahazoana mitondra ny razana, izay mbola any Ambatomadinika, any Alatsinainy Bakaro, any amin’ny 80 km avy eto an-drenivohitra no handevenana azy. Tsy mbola nahavita karapanondro akory izy talohan’izao nahafatesany izao.
Barphil Andriantsiferanarivo