Toerana 5 teto Antsirabe no nisehoan’izany, ka isan’ny tranga nanaitra ny maro tokoa ilay fanafihana tranona mpivarotra saribao tao Tomboarivo izay nahavery entana mitentina an-tapitrisany maro sy lelavola ary ny nanolanan’izy ireo tovovavy roa.
Taorian’ireo tranga nahazoana fitarainana maro dia tsy nitsahatra nisafo ny tanàna ireo polisy eto Antsirabe. Nisy ihany koa ny fanadihadiana sy fikarohana natao la ny 3 janoary teo dia naharay vaovao momba ireo andian-jiolahy izay mpiara-manao drafitra asa ratsy toy ny halatra, fanolanana, fakàna an-keriny, ireo polisy. Nitohy ny fikarohana ka efa nifanenjehana inefatra ireo lohandohan’ny mpisorona, saingy tafaporitsaka hatrany.
Naharaisana vaovao indray mikasika ireo jiolahy ireo, ny 26 janoary teo. Nisy ny fisamborana ka tratra tamin’izany ny roa lahy izay nivarotra ireo entana halatra tao Andranomaimbo. Izy ireo avy eo no nanoro ny namany telo hafa izay efa samy voatanan’ny polisy. Ny fanadihadiana natao azy ireo ihany no nahafantarana ieo namany sasany, ka isan’izany ny iray izay vao avy nivoaka ny fonja dia nahavita nanindrona antsy polisy.
Angola Ny Avo