Nanomboka nandoa tsy nijanona izy vao vita izay. Nangovitra be izy, ka vao teo Ankadimbahoaka dia tsy tana intsony ny ainy », hoy Raveloarisoa Miora, zanak’olona mpiray tampo aminy.
« Nilaza ilay mpitsabo fa handeha amin’ny fandoavany voan-kanina namosavian’olona azy, kanefa maty ihany izy », hoy ihany ity anabaviny. Aretina maromaro toy ny aretim-po, vavony, diabeta sy rano miandrona ao amin’ny lamosina no voalaza fa efa nikiky azy tao anatin’ny telo taona.
Namela mananotena sy kamboty telo any Toamasina, izay toerana nonenany sy niasany, ity raim-pianakaviana ity izao nindaosin’ny fahafatesana izao.
B.A
sites partenaires
