Mbola teny an-kodiny ny akanjony sy ny kirarony.
« Tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro no nampandre anay ny mponina tamin’ny nahitana ity razana ity. Tao anaty zozoro somary honahona no nahitana azy. Mpianatra avy nianatra nandalo teo amin’ilay toerana no nahatsikaritra ilan-tanana nipoitra. Rehefa nosintoniny dia tena vatan’olona ilay izy », araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary eny an-toerana.
Nidina nijery ifotony ny zava-nisy ny mpitandro ny filaminana. Tonga teny ihany koa ny dokotera sy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny kaominina Andoharanofotsy. « Teo amin’ny tratrany, ny kibony ary ny lamosiny dia samy nahitana dian’antsy avokoa », hoy ihany ny zandary nanao famotorana.
Vetivety dia niely teny Andoharanofotsy ny vaovao. Nisy tamin’ireo havany no tonga nijery sy namantatra ilay lehilahy, izay voalaza fa nanomboka tamin’ny sabotsy lasa teo no efa tsy hita. 29 taona ity lehilahy namoy ny ainy ity. Eny Ankadilalampotsy no monina izy ary efa nisy mihitsy ny filazana fikarohana azy nataon’ny fianakaviany teny anivon’ny mpitandro ny filaminana, saingy tsy nahitam-bokany izany.
Faralala