Misy raha ao

Ady Totohondry : Natolefik’i Nirina Aimé i Lalaina Rabenarivo

Jeudi 22 Décembre 2011

Mpiady totohondry isan’ireo nalaza, saingy nazeran’i Nirina Aimé, izay isan’ireo mpikatroka nahita fahombiazana, i Lalaina Rabenarivo tamin’ny alahady lasa teo, tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina.

Ity farany dia efa isan’ireo niatrika lalao Olympika tamin’ireo mpiady totohondry. Nisongadina tamin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity ireo mpikatroka avy eto Analamanga. Tamin’ireo amboara 12 niadiana dia anaram-boninahitra valo no nahoron’ity ligy ity.

Hatreto aloha dia mbola niteraka resabe ny fanaovana ity fifaninanam-pirenena ity noho ny tsy fahavitan’ny famindram-pahefana teo amin’ny filohan’ny federasiona teo aloha sy ankehitriny.
Isan’ireo nahagaga an’ireo mpijery tetsy Mahamasina tamin’io fifaninanana io i Julien Rajaonarison (Analamanga) tamin’ny nandreseny an’i Jean Christophe Rasolonirina (Menabe), izay niambozona medaly alimo tamin’ny andiany voalohany ho an’ny lalao afrikanina ho an’ny tanora tany Maraoka..

Roméo Andriamihaja
N.R.

Nouveau commentaire :

Bons plans | Communiqués | Vaovaom-piangonana | Questions-Réponses | Tout sur Air Madagascar | Photos galeries | Contact | Chronique | Misy raha ao | Alerte Infos | Mada en 1 clin d'oeil | Voyages, Tourisme à Madagascar | Lu sur le Net | Codes promos | Interviews | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Recettes malgaches | Soirées Saint-Sylvestre 2012 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar | Insolites et le-saviez-vous ?