Jeudi 29 juillet 2010

LOZA TANY RANOHIRA : Fiara iray nizara roa mihitsy



Ny ilany nipitika tafapita ny renirano. Ny ilany kosa tafajanona teo amin’ilay renirano. Izany no zava-nitranga tany Ranohira ny alakamisy alina. Lehilahy roa no fantatra fa nitondra ity fiara « Mercedes » ity. Avy any Ilakaka izy mirahalahy ireto andeha ao Ranohira, hamonjy alim-pandihizana. Rehefa tonga teo amin’ny tetezana irazy anefa vokatry ny fandehanana mafy dia nivoaka ny lalana ilay fiara. Mafy dia mafy ny fandonany ny sisin’ilay tetezana ka nizara roa mihitsy ilay fiara. Ny ilany izay nisaraka teo amin’ny seza aloha dia tafita ny renirano teo ambanin’ilay tetezana mihitsy vao nijanona. Ny ilany kosa tafajanona teo ambony rano. Ny varavaran’ilay fiara kosa taty ambony tetezana. Mbola nahitana tavoahangy « gold » miisa roa moa tao anatin’ilay fiara. Izy roa lahy tao anatiny kosa naratra mafy ary nentina haingana ao amin’ny hopitaly Ranohira.
Réagir sur cette article
Pseudo :
E-mail :
Commentaire :
» 17/07/2010 : FANAFOANANA NY FIS : Mamaly bontana ny masoivoho frantsay ny kolonely Lylison René

» 17/07/2010 : 60 TAPITRISA VERY : Nisy fisamborana hafa teny amin’ny Sipem

» 16/07/2010 : ANDRANOMANELATRA-ANTSIRABE : Voatafika indray ny fiaran’ny Kaoperativa Mafio iray

» 16/07/2010 : LALA RASENDRAHASINA : « Misy tsy fitoviam-pijery eo anivon’ny Ffkm »

» 15/07/2010 : FETY ETSY IVANDRY : Tsy mitovy hevitra ireo ankolafy telo

Pages    5   


Madaplus - Tous droits réservés